08/06/2026
LE MARKETING
💰 INONA NY MARKETING ? 💸
🪙 Ny dia ny fitambaran'ny paikady sy ireo asa rehetra ataon’ny seha-pihariana iray.
📌 Miketrika hoe inona no tena ilain'ny olona izao ? na inona ny olana tiany hovahana.
✓ Ohatra : mitady moto mora ny olona, na mila sakafo matsiro, mora nefa vita vetivety.
na mamaly an'izany filana izany.
📌 Manamboatra ny entana na tolotra mifanaraka amin’izay tadiavin’ny tsena. Tsy amboarina fotsiny an ! fa amboarina hifanaraka amin’ny vidiny sy ny kalitao andrasan’ny olona.
.
📌 Mampahafantatra ny olona hoe misy ny vokatrao, inona ny tombotsoany, maninona no tokony hovidiny. Amin’ny alalan’ny dokam-barotra, facebook, afisy, sns...
(EFA MARKETING DAHOLO IO MODY DISO TSIPELINA IO)
📌 Manao ny vidiny, ny toerana hivarotana, ny fomba hivarotana, mba ho mora vidin’ny olona sy hahasarika azy hividy.
.
📌 Manao izay hiverenany mividy indray, maniraka azy (an-kolaka) hidoka ny asanao amin’ny olona hafa. Amin’ny alalan’ny tolotra tsara, garantie, fifandraisana maharitra.
Ohatra tsotra :
🥣 Mivarotra ianao.
✓ Hitanao fa maro no tsy manam-potoana handrahoana maraina 👉🏼 filàna.
✓ Manao mangahazo efa vonona mialoha ianao 👉🏼 (vokatra mamaly filana).
✓ Mitety tanàna mitondra radio mivazavaza hoe “ 👉🏼 fampahafantarana.
✓ Mametra ny vidy ho 300 Ar izay takatry ny mpianatra 👉🏼 paikady prix.
✓ Mitsiky sy manaja mpanjifa isan’andro 👉🏼 fitazonana client.
Izany rehetra nataonao izany dia marketing jiaby.
Tsy mitovy ny marketing sy ny varotra : Ny varotra dia ampahany amin’ny marketing ihany. Ny marketing dia manomboka alohan’ny hanaovana vokatra, ary mitohy na dia efa nividy aza ny client.
FARANY:
🙏🏼 Ity ataonay ity izao dia karazana marketing Kely mba hanarahanao ny pejy. Nefa izahay tsy manan-entana amidy 😔
👮♂️👮♂️👮♂️👮♂️👮♂️👮♂️👮♂️
31/05/2026
30/04/2026
09/04/2026
05/04/2026
28/03/2026
08/03/2026