18/06/2026
⚠️ 𝗩𝗮𝗼 𝗺𝗮𝗻𝗼𝗺𝗯𝗼𝗸𝗮 𝗮𝗵𝗼. 𝗩𝗮𝗼 𝗮𝘃𝘆 𝗻𝗮𝗵𝗮𝘃𝗶𝘁𝗮 𝗳𝗶𝗼𝗳𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮...𝗔𝗶𝘇𝗮 𝗻𝗼 𝗮𝗵𝗶𝘁𝗮𝗸𝗼 𝗰𝗹𝗶𝗲𝗻𝘁 𝘃𝗼𝗮𝗹𝗼𝗵𝗮𝗻𝘆 ?
Matetika dia io foana ny fanontaniana mipetraka rehefa hoe vao manomboka eo @ sehatry ny freelancing / business en ligne...
Ireto ary misy fikafika Kely anankitelo ahafahanareo manomboka manao prospection de clientèle 🤗
1- @ réseaux sociaux : tsy voatery hoe any @ LinkedIn fa na eto @ facebook aza dia ahitana clients. Afaka manao stratégie ato @ Facebook hoe ataonao toy ny fampiratiana ny services varotanao ny kaontinao. Dia ny fizarana (publications) rehetra ataonao koa ataonao mifanaraka @ services amidinao. Azonao atao koa ny miditra vondrona izay hitanao hoe ahitana tolotra mifanaraka @ services amidinao...
2- Mifampiresaka mivantana @ clients potentiels anao. Aza miandry clients manatona, fa makanesa any @ clients potentiels anao. Fa mila arafitrao tsara anefa ny hafatra alefanao mba hisintona azy ireo sy ahafahanao mandresy lahatra azy ireo hiara-hiasa aminao.
3- Bouche à oreille / réseautage. Aza matahotra miresaka ny service varotanao amin'ny manodidina anao (mila sivanina ihany anefa ny olona hiresahanao ny asa ataonao).
⁉️ Iza @ izao no efa nataonao ?
➡️ Aza adino fa misy fizarana mikasika ny "bases" @ fitadiavana clients ao anaty atelier Digital business anay 🤗 Ao anaty commentaire ny numéro whatsapp afaka handefasanareo message ho an'ireo Liana @ izany...
Mirary soa antsika hatrany dia tafandria mandry daholo 🤗
17/06/2026
Aiza no ahitana clients voalohany ? Io no horesahanay @ Alakamisy ho avy izao. Iza no hanaraka ? 🔥
15/06/2026
𝗭𝗮𝘃𝗮𝘁𝗿𝗮 𝟯 𝘁𝗼𝗸𝗼𝗻𝘆 𝗮𝘁𝗮𝗼𝗻𝗮𝗼 𝗿𝗮𝗵𝗮 𝘁𝗲 𝗮𝗵𝗶𝘁𝗮 𝗮𝘀𝗮 @ 𝗽𝗹𝗮𝘁𝗲𝗳𝗼𝗿𝗺𝗲 𝗶𝗮𝗻𝗮𝗼 🤗
Atombokay @ fanazavana aloha hoe : inona izany plateforme izany ?
𝙉𝙮 𝙥𝙡𝙖𝙩𝙚𝙛𝙤𝙧𝙢𝙚 𝙙𝙞𝙖 𝙧𝙤𝙝𝙮 (𝙨𝙞𝙩𝙚 𝙬𝙚𝙗) 𝙞𝙧𝙖𝙮 𝙖𝙝𝙞𝙩𝙖𝙣𝙖 𝙘𝙡𝙞𝙚𝙣𝙩𝙨. 𝙈𝙞𝙨𝙮 𝙠𝙖𝙧𝙖𝙯𝙖𝙣𝙮 𝙣𝙮 𝙥𝙡𝙖𝙩𝙚𝙛𝙤𝙧𝙢𝙚𝙨 :
a- ny clients no mi contacté anao
b- misy clients mandefa tolotra ao anatin'ilay plateformes. Mamaly ianao dia miandry ny valiny
𝘿𝙞𝙖 𝙞𝙧𝙚𝙩𝙤 𝙣𝙮 𝙯𝙖𝙫𝙖𝙩𝙧𝙖 𝙩𝙚𝙡𝙤 𝙩𝙤𝙠𝙤𝙣𝙮 𝙖𝙩𝙖𝙤𝙣𝙖𝙤 𝙧𝙖𝙝𝙖 𝙩𝙚 𝙖𝙝𝙞𝙩𝙖 𝙘𝙡𝙞𝙚𝙣𝙩𝙨 𝙞𝙖𝙣𝙖𝙤 :
1- Mi optimisé profil. Io tsinona no toy ny "passeport" anao. Ahafahan'ny clients mahita hoe inona ny fahaiza-manao anananao ? Inona ny tolotra (offres de service) omenao ? Toy ny ahoana ny traikefa anananao ? Sns...
2- Ny notifications rehetra dia tokony "activées" daholo. Satria matetika dia ireo mamaly aingana @ tolotra no jeren'ny clients voalohany. Azonao atao noho izany ny mi télécharger ny application an'ilay plateforme @ findainao na ihany koa jerena @ e-mail anao (@ finday foana no aigana indrindra)
3- Rehefa mamaly tolotra dia mametraka an'ity fanontaniana ity @ tenenao : inona ny mampiavaka ahy @ ireo olona rehetra mamaly an'ity tolotra ity ?
➡️ Tsiahivinay hatrany hoe ho an'ireo vao manomboka ka maniry hisehatra eo @ tontolon'ny business en ligne / freelancing, dia manome atelier en ligne izahay ato @ BDR Formation (misokatra ny fisoratana anarana - atelier payant). Alefanay ao anaty commentaire ny nomerao afaka hifandraisanareo aminay ho an'izay liana 🤗
Fa ny fiofanana hafa mikasika ny fianarana ny métiers du web no mbola miato kely aloha satria mbola manao mise à jour izahay.
Mirary soa antsika hatrany 🙏
12/06/2026
Somary repotra kely izahay t@ ity herinandro ity fa @ herinandro izahay hiresaka mikasika ny plateforme ahitana asa en ligne. Bon week-end daholo 🤗
05/06/2026
Manana compte @ plateforme aho kanefa tsy mety mahita asa. Ahoana no ataoko ? Io indray ny fizarana manaraka fa araho ny pejy 🤗
03/06/2026
⁉️ 𝗩𝗮𝗼 𝗺𝗮𝗻𝗼𝗺𝗯𝗼𝗸𝗮 𝗮𝗵𝗼. 𝗜𝗻𝗼𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗮𝘀𝗮 𝗲𝗻 𝗹𝗶𝗴𝗻𝗲 𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮 𝗮𝘁𝗮𝗼𝗸𝗼 ? 🤔
Betsaka no manontany an'io fanontaniana io...(Ezahanay atao fohy ny valiny 🙈)
Ny valiny matetika omen'ny olona dia hoe : "Jereo aloha hoe inona ny zavatra tianao, dia iny avadika asa..."
Fa ny zavatra rehetra tianao anefa tsy voatery afaka avadika "asa mahavelona" daholo. Ohatra : tia volana sy kintana ianao, ny resaka astronomie izany ny asa mifanaraka @ izany. Fa ahitana asa eo noho eo ve raha hijanona eto Madagasikara ? Ahitana asa en ligne ve ?
📝 𝙉𝙮 𝙢𝙞𝙡𝙖 𝙖𝙩𝙖𝙤 𝙫𝙤𝙖𝙡𝙤𝙝𝙖𝙣𝙮 𝙞𝙯𝙖𝙣𝙮 𝙙𝙞𝙖 𝙢𝙖𝙢𝙚𝙩𝙧𝙖𝙠𝙖 𝙛𝙖𝙣𝙤𝙣𝙩𝙖𝙣𝙞𝙖𝙣𝙖 @ 𝙩𝙚𝙣𝙖𝙣𝙖𝙤 :
1- Inona ny zavatra tiako ? Mety avadika asa en ligne ve ?
2- Inona avy ny asa en ligne misy @ izao ? Mety ho haiko ve ?
3- Inona avy ny asa en ligne misy @ izao ka mbola ahitana sy mora ahitana clients ?
4- Manana ny fahaiza-manao sy traikefa ilaina @ asa en ligne nosafidiako ve aho ?
5- Raha mbola tsy voafehiko ilay asa, aiza no ahitako fiofanana hanampy ahy handroso ?
🔐 𝙍𝙖𝙝𝙖 𝙚𝙛𝙖 𝙛𝙖𝙣𝙩𝙖𝙩𝙧𝙖𝙤 𝙣𝙮 𝙖𝙨𝙖 𝙩𝙞𝙖𝙣𝙖𝙤 𝙖𝙩𝙖𝙤, 𝙙𝙞𝙖 𝙞𝙧𝙚𝙩𝙤 𝙢𝙞𝙨𝙮 "𝙥𝙡𝙖𝙩𝙚𝙛𝙤𝙧𝙢𝙚𝙨" 𝙢𝙚𝙩𝙮 𝙖𝙝𝙞𝙩𝙖𝙣𝙖𝙤 𝙖𝙨𝙖 :
1- Fiverr
2- Upwork
3- Peopleperhour
4- Guru
5- AfriBlocks
6- Afreecalance
7- Facebook
8- LinkedIn
9- Instagram
Ahoana no atao ahitana asa @ ireo ? Araho ny fizarana eto @ pejy fa ho zarainay @ herinandro.
⚠️ Aza adino fa manome fiofanana koa izahay ato @ BDR Formation hanampiana anao handroso eo @ tontolon'ny digital. Rahoviana ny daty ? Mbola tsy @ izao aloha fa alefanay miandalana eo ny agenda rehefa miverina
Mirary soa antsika hatrany 🤗
31/05/2026
Joyeuse fête à toutes les mamans freelance et entrepreneurs digitaux 🥰🤗
24/05/2026
Arahabaina tratry ny Pentekosta. Hiverina ny fizarana @ herinandro (mikasika ny resaka clients)
06/05/2026
Inona ny blocage anareo tsy ahitanareo clients ?
1- Tsy mahay manao prospection 😩
2- Tsy mazava ny offre 🥺
3- Tena tsy haiko 😅