Tuto Cuisine

Tuto Cuisine

Share

💓 Tongasoa eto @ Pejy.

Angela no anarako vonona handray anao hatrany💓

💓💓💓 Ny fahaizana mahandro hono ny ody fitia ambony indrindra ka ndao hianatra ary e 💓💓💓

💥 Le meilleur pour la faim 💥

💗Manana boky ihany koa isika ho anareo te hanjifa💗

Photos from Tuto Cuisine's post 23/06/2026

Salama e, tsy hianatra be ny zavatra atao @ ilay lasopy isika fa karazana rony no hianarantsika. Misy karazany ny ron-dasopy raha tsikaritrareo. Misy ilay fotsy be ( efa nianarantsika teto @ pejy sy anaty boky tome 1) , misy ny légume ary misy ilay mazava matetika hita anaty chinoise ireny . Ireny no hojerentsika androany.

Marihiko eto fa izaho tsy mahazaka resaka "jumbo ", "vitsinina" sns ka ilay fanaovako ny ahy, izany hoe tsy misy ireo zavatra ireo no asehoko anareo. Samy manana ny fanaovany ny azy fa ny ahy ity omeko ity 🙂

Raha mitady ilay fanaovana van tan ianareo dia efa misy anaty pejy sy anaty boky .


22/06/2026

Salama e,

👉👉 SEMAINE DES PÂTES ET DE LA SOUPE👈👈

Tena frizyyyyy🥶🥶🥶🥶🥶🥶🥶🥶tsy haiko ianareo fa tena mangatsiaka ilay andro...omaly izany moa tena tsy lazaiko intsony

Hiezaka hizara karazana recette "Lasopy" indray aloha isika @ ity herinandro ity fa aza miala lavitra❤️


21/06/2026

Salama e, raha efa père ianao ry ramose " LAHATRINIAINA HERINIRINA " dia tonga dia ataovy toy ny cadeau fête des pères avy ty aminay izy ity. Ireto ny boky azonao

❗TOME 2: misy resaka
GLACE: Clarinette, sorbet, glace, esquimaux kely , glace multicolore....
SNACK ET COCKTAILS : Mety be raha hanomana lanonana: misy azonao atao miniardise, resaka zavatra sotroina: cocktails,milkshake, biscuits sns
PÂTISSERIE ET VIENNOISERIE : pain choco, pain raisin, croissant,sns

❗TOME 3: misy resaka

-Sakafo Gasigasy => Mofogasy, ramanonaka, yaourt à boire soja, m**o anana, sipety,pakopako, godrogodro......
-Patisserie : ato ry red velvet mianakavy, gâteau étages,imbibages sns
- Entrée & fast food : na chaude na froide ato avokoa, mahazaka fety tsara

Izay ary fa soavamandry Dia rahampitso indray o🥰


20/06/2026

Salama e, tsy maintsy Rahampitso no avoakako ny mpandresy iray hafa fa tsy mety indray ity fanaovantsika tirage ity dia iray ihany aloha no nasehony😅😅😅fa arabaina aloha ianao ry:
❤️❤️Mme / Mlle Antsa Andriamaholy❤️❤️ireto ny loka azonao. Boky roa noir et blanc

❗TOME 2: misy resaka
GLACE: Clarinette, sorbet, glace, esquimaux kely , glace multicolore....
SNACK ET COCKTAILS : Mety be raha hanomana lanonana: misy azonao atao miniardise, resaka zavatra sotroina: cocktails,milkshake, biscuits sns
PÂTISSERIE ET VIENNOISERIE : pain choco, pain raisin, croissant,sns

❗TOME 3: misy resaka

-Sakafo Gasigasy => Mofogasy, ramanonaka, yaourt à boire soja, m**o anana, sipety,pakopako, godrogodro......
-Patisserie : ato ry red velvet mianakavy, gâteau étages,imbibages sns
- Entrée & fast food : na chaude na froide ato avokoa, mahazaka fety tsara

RAHAMPITSO aho no mandefa ny mpandresy iray hafa,fa aza miala lavitra ❤️mitambatra alatsinainy ihany anefa ny livraison antsika


Photos from Tuto Cuisine's post 19/06/2026

TIA AZY ITY VE IANAREO ?

Salama e, laoka anio🤭maro be ianareo no matetika mangataka laoka dia zaraiko eto fa tsy nasiako anaty boky manko, Sao ataonareo laoka fête des pères na laoka 26

👉👉👉 LELAN'OMBY SAUCE👈👈👈

Nazavaiko tsara satria maro be ianareo no tsy mahay ny Fikarakarana azy ity alohan'ny handrahoana azy. Hatsiarovako an'i mamanay ity recette iray ity satria izy no anisany nitiavako azy

Aza adino Rahampitso ny valin'ny lalao azahoana ny boky tome 2 sy 3. Olona 2 no mivoaka mpandresy. Raha misafidy ny hanjifa ny boky kosa ianao dia mbola disponible ny tome 1,2 ary 3.


Photos from Tuto Cuisine's post 18/06/2026

🥰🥰Cuisiner c'est voyager 🥰🥰

Tsara foana mahafantatra karazana sakafo sy ny hoe avy aiza no nipoiran'ny sakafo iray.
Miankina be @ izay koa ts'inona ny épices tokony ampiasainao☺️fa tsy hoe afangaro anaty sakafo iray avokoa ny 4 epices, ny safran, ny cumin , ny tantely, ny sauce huitre, ny paprika, ny thym, sns...

Tadidio tsara ny sakafo misy épices raha mifanaraka sy mifandanja, fa ratsy kosa raha épices tsy tsara miaraka no atambatrao. Eo ary aloha samy manamena maso @ ireto sakafo ireto alohan'ny hatory😁


Photos from Tuto Cuisine's post 18/06/2026

Salama e, FANGATAHANA efa im-betsaka miverina anaty mp ako, makà stylo sy cahier ary dia ndao hianatra ary tanteraho @ izay ireo karazana recette gâteau efa hainao teto @ pejy sy izay hitanao anaty boky

👉👉👉FANAOVANA MOFOMAMY RAHA MAMPIASA CHARBON (ARINA) 👈👈👈

Hanaovy m**omamy matsiro kely ny raim-pianakavianareo fa ho avy ny fetiny, eny na tsy misy lafaoro aza ianao dia io vilany am-pelantananao io dia efa mety. Tsy hanisy recette intsony aho satria efa maro no nozaraina na teto @ pejy na tanaty boky ka anjaranao misafidy.

Ho anareo te hanjifa izany BOKY. Izany dia mbola disponible hatrany ny tome 1,2 ary 3. Misy ihany koa ny KILALAO eto @ pejy mety azahoanao izany.


Photos from Tuto Cuisine's post 16/06/2026

Tuto Cuisine

Photos from Tuto Cuisine's post 16/06/2026

Salama indray o

👉👉FROMAGE TSOTRA (TSY MAMPIASA PRÉSURE)👈👈

Marihiko eto fa efa nampianatra azy ity efa ela be aho ary efa misy anaty TOME 1 izany fa somary averiko kely satria maro ianareo no nangataka azy. Fromage fermier izy ity , izany hoe hafa ny Mozzarella sns ( Fikarakarana hafa mihintsy indray izy ireny )

❗❗Mety somary sarosarotra azo fa araho ny SARY fa noentina hanampiana ny fanazavana ,raha misy tsy azo anefa dia mamaly fanontaniana anaty mp ihany aho❗❗

Mirary soa hatrany ireo mpanala fanadinana ,ho anareo te hanjifa boky dia mbola misy hatrany ny boky Tome 1, 2 ary 3.


Photos from Tuto Cuisine's post 14/06/2026

‼️ DESSERT ‼️

Salama e ,ataovy toy ny restaurant kely ny ao an-tranonao, mahazaka lanonana ihany koa izy ity. Ndao ampiasaina ilay "crème anglaise" nampianariko anareo teto @ pejy sy anaty boky tome 1

👉👉ILE FLOTTANTE 👈👈

Tena matsiro kely izy ity anefa mora amboarina kely, andramo indray aloha fa mety tena ho tian'ny ankizy be ilay izy. Era nasiako sary maromaro ihany koa entina hanampiana anareo mba mora ahazo azy.

Azabadino fa misy KILALAO eto @ pejy hazahoana boky tome 2 sy 3 , mbola disponible ihany koanny boky tome 1,2 ary 3 raha hanjifa izany ianareo. Manomboka rahampitso indray ny livraison. Ity ny lien an'ilay kilalao

https://www.facebook.com/61578045364521/posts/122180489090934845/?app=fbl


Want your school to be the top-listed School/college in Antananarivo?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Category

Website

Address

Antananarivo