Crèche - Garderie Babydibou

Crèche - Garderie Babydibou

Share

Crèche Garderie à Antananarivo, accueillant les enfants de 2 mois à 3 ans. Dès ma tendre enfance, j'aimais déjà les enfants.

Tous les soirs, les mercredis et les samedis, nous proposons des soutiens scolaires, aides aux devoirs, cours d’initiation à l’anglais et activités créatives pendant les vacances. Je me voyais toujours travailler avec eux. Ce qui fait qu'après des études et une première expérience professionnelle en tant qu'aide soignante, je me suis réorientée pour bâtir mon rêve : ouvrir une micro-crèche. Pour c

04/06/2026

Isaky ny Alarobia dia zarainay aminareo ny activité fanabeazana sy fampivelarana ny ankizy eto aminay. Androany kosa dia ny "𝐚𝐛𝐚𝐪𝐮𝐞𝐬 𝐝𝐞 𝐭𝐫𝐢 𝐝𝐞 𝐟𝐨𝐫𝐦𝐞𝐬 𝐞𝐭 𝐝𝐞 𝐜𝐨𝐮𝐥𝐞𝐮𝐫𝐬" no asongadintsika 🔺🟡🟦

Mety ho kilalao tsotra izy io raha jerena voalohany, kanefa tena manampy betsaka amin'ny fivoaran'ny sain'ny zaza :
👶 Ho an'ny a͟n͟k͟i͟z͟y͟ ͟m͟b͟o͟l͟a͟ ͟k͟e͟l͟y͟ dia mianatra :
• mahafantatra ny loko samihafa
• manavaka ny lehibe sy ny kely
• mikasika sy mamindra zavatra amin'ny tanany
• mijery sy mampifandray ny hitany amin'ny zavatra ataony

🧒 Ho an'i͟r͟e͟o͟ ͟e͟f͟a͟ ͟l͟e͟h͟i͟b͟e͟b͟e͟ kosa dia lasa sarotra kokoa ny activité :
• manasokajy araka ny loko
• manasokajy araka ny endrika (boribory, telozoro, efamira...)
• mametraka ny zavatra amin'ny toerana tokony hisy azy
• manaraka toromarika tsotra

🌱 Fa maninona no tena tianay ity activité ity ?
✔ Mampivelatra ny logique sy ny réflexion
✔ Mampianatra ny ankizy handamina sy hanasokajy zavatra
✔ Mampitombo ny concentration sy ny faharetana
✔ Manamafy ny coordination œil-main
✔ Manampy amin'ny fianarana ny loko sy ny endrika izay ilaina rehefa hiditra an-tsekoly
✔ Mampitombo ny fahatokisan-tena rehefa vitan'ilay zaza irery ilay activité

😊 Tena mahafinaritra anay ny mahita ny hafalian'ny ankizy rehefa mahita fa tafapetrany tsara amin'ny toerana tokony hisy azy ny pièce tsirairay.

👩‍🏫👨‍🏫 Toy ny mahazatra dia eo akaikin'ny ankizy foana ny éducatrice, manara-maso, manampy ary mamporisika azy ireo rehefa sendra misy tsy hainy.

Ary ny maraina hatrany no anaovanay an'ity activité ity satria amin'izay mbola mavitrika tsara ny sain'ny ankizy ary mora mandray lesona vaovao izy ireo.

🔗 Aza misalasala manoratra anarana ny zanakareo dieny izao fa efa manomboka voafetra ny toerana raisinay.
📞 038 14 456 52
📩 Na manorata MP raha mila fanazavana fanampiny.
📍 Crèche Garderie Baby Dibou

01/06/2026

🥣 𝐀𝐡𝐨𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐬𝐚𝐤𝐚𝐟𝐨𝐧'𝐧𝐲 𝐚𝐧𝐤𝐢𝐳𝐢𝐤𝐞𝐥𝐲 𝐚𝐭𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧𝐚𝐲 𝐨̂ ? - 𝐄𝐩𝐢𝐬𝐨𝐝𝐞 𝟏 🥣
Ato amin'ny crèche Baby Dibou an, dia tafiditra anatin'ny tarif (na garde occasionnelle na garde mensuelle) ny sakafon'ny ankizikely.

🍵
*Ny antony voalohany dia tsy mànana fotoana firy hikarakaràna ny sakafo atoandron'ny ankizy mantsy isika RAD, anefa tsy tsara ho an'ny vavony sy ny tsinain'ny ankizikely ny sakafo hafanaina.
*Ny antony manaraka dia mitovy daholo ny sakafo ohanin'ny ankizy, satria miara-misakafo ary iray latabatra daholo ato na ny lehibe na ny kely.
Antony ara-pahasalamana sy ny elanelan-taona ihany no tsy mampitovy ny sakafo fa ny zazakely rehetra dia ezahina mitovy daholo, ny ankizilehibe rehetra koa torak'izany.

Ohatra hoe : "raha kivikivy i Kevin (8 mois) satria zay vao nanandrana purée de potiron, dia vao mahita an'i Timeo (9 mois) mazoto homana izy dia mazoto kely koa avy eo."
Fa na zany aza gaga ianareo RAD raha lazainay fa mazoto mihinana voatavo daholo ny ankizikely ato aminay an. Rehefa lehibe - efa tsy ato amin'ny crèche intsony - izy vao mitaraina hoe "sosety sy voatavo foana kosa ny laokan'i neny" 😂

Dia rehefa mijery i Sariaka hoe mitazona ny sotrony i Arialy, dia mba miezaka koa izy midongy mba hitazona ny azy koa, na i maitresse aza ny tena mamahana, fa ny azy hikopakopahana fotsiny ny sotro eny an-tànany.

🍵
Dia hitanareo amin'izany, fa na misakafo aza dia fianarana rehefa alefa aty amin'ny crèche ny ankizikely. 👶
-------
Aza misalasala intsony ary hanoratra anarana ny papozikelinao fa efa manomboka voafetra ny toerana fa efa mihabetsaka ny ankizy eto amin'ny crèche an. !
Antsoy ny 038 14 456 52 na manorata ao amin'ny MP amin'ny andinindininy. 📩
📍 Toerana : Crèche Garderie Babydibou

27/05/2026

Mbola sahirana nifindra ny ekipan'ny crèche-garderie Baby Dibou dia zao ndray vao afaka miverina aminareo eto.
Isaky ny alarobia, dia zarainay aminareo ny activité hanamafisana ny motricité fine-n'ny ankizikelintsika : perles en bois ny hanombohana azy androany ary e 🎉

Fa maninona aza no mila hamafisina ny motricité fine an'ny ankizikely e ?

👶 Ho an'ny zazakely, dia manomboka amin'ilay :
• mamihina mafy kely ny tànanao izy raha azon'ny tàna-keliny mampite-hihinana iny
• avy eo mampita zavatra amin'ny tànana iray mankany amin'ny ilany
• dia miasa amin'izay ny sainy rehefa miova ny textures-n'ny zavatra fihininy : marokoroko, malàmalama, malemilemy, ...

🧒 Dia rehefa lehibe izy dia hamafisiny ireny fihetsika reny, izy irery ihany io an, tsy misy mampianatra fa miezaka kely izy misambotra ohatra :
• mamadika boky
• mitazona sotro
• mitazona pensilihazo na penina
• manidy bokotra

🌱 Eto zao dia nosafidiana mihitsy ho an'ireo ankizy efa lehibebe ity activité ity satria efa hianatra izy afaka volana vitsivitsy.

Dia omàninay tsikelikely ny ankizy amin'ny activité de motricité fine mba :
✔ ho vonona hianatra hanoratra fa mila mamihina mafy ny penina tsara ny ratsa-tànany
✔ manao gestes répétitifs travaillés tsara ry zareo dia mihatsara sy mihamivoatra isaky ny sahan'asa
✔ hi se concentrer tsara izy rehefa manao zavatra
✔ mianatra ny autonomie sy miantso rehefa mila fanampiana
✔ somary kivy izy rehefa saro-tsarotra sy tsy mbola zatra dia mianatra ho azy ny dépassement de soi satria faly izy rehefa vitany lay izy
✔ dia mianatra ihany koa miara-miasa miaraka amin'ny ankizy hafa

👶 Ny zazakely moa tsy manao an'ity activité ity fa hafa ny azy satria kely lay perles ka sao atsofony any am-bava.
Ny maraina zahay no manao ny activité amin'izay mifoha tsara sy mavitrika ny sainy dia matory tsara koa ry zareo amin'ny sieste satria niasa kely ery lay saina.
👩‍🏫👨‍🏫 Dia miambina tsara mihitsy ny éducatrice ary manoro sy manampy zay mila fanampiana.

🔗 Aza misalasala intsony ary hanoratra anarana ny papozikelinao fa efa manomboka voafetra ny toerana fa efa mihabetsaka ny ankizy eto amin'ny crèche an. !
Antsoy ny 038 14 456 52 na manorata ao amin'ny MP amin'ny andinindininy. 📩
📍 Toerana : Crèche Garderie Babydibou

02/04/2025

🎉 Misokatra ny "Acti-Baby Vacances" na "Centre de loisirs" mandritran’ny vacances scolaires ho avy izao an ! 🎉

🌟 Afaka andro vitsivitsy dia ho tonga sahady ny fotoam-pialan-tsasatry ny mpianatra, manokana ny programa « Acti-baby vacances » zahay eto amin’ny crèche garderie Babydibou handraisana ny ankizy.
Tsy ho sahirana amin'ny fitadiavana mpitaiza intsony ianareo ray aman-dreny. 🌟

🧸 Misokatra ho an’ny ankizy kely rehetra efa mandeha mianatra manomboka amin’ny 3 à 10 taona ny Acti-Baby Vacances. Ary efa misy toerana natokana ho amin'izany ankoatran'ny crèche ho an'ny zazakely.🧸

📅 Rahoviana ?�
Ny alatsinainy hatramin’ny zoma manomboka amin’ny 9 maraina hatramin’ny 4ora tolak’andro .
Amin'ny 12 hatramin'ny 27 n'ny volana aprily ho avy izao ny fotoanantsika manaraka

💡 Inona ny hataonay amin’izany ?
* Activités isan-karazany mifanaraka amin’ny taonan’ny ankizy misoratra anarana🎨🎭
* Efa niofana amin’iny fanaraha-maso ary efa zatra manao animation ny ekipanay satria dia efa sefotenina skoto an-taonany maro. 👩‍🍳👩‍🎨
* Maka aina ihany koa ny ankizy ary miala voly🏃‍♀️🏃‍♂️
* Fotoana ahazoany namana vaovao ihany koa io an🤩
* Efa ao anaty saram-pisoratana anarana ny sakafo atoandro sy ny goûter ary ny fitaovana ilaina amin'ny activités rehetra fa maka sy manatitra sisa no hataon'i dada sy i neny 🥪🍛
* Zay mànana devoirs de maison dia afaka mitondra ny enti-modiny fa misy "répétitrice" sy mpampianatra efa za-draharaha manampy azy ato.👩‍🏫👨‍🏫

🔗 Misokatra ny fisoratana anarana !�
Aza misalasala intsony ary fa voafetra ny toerana an !
Antsoy ny 038 14 456 52 na manorata ao amin'ny MP amin'ny andinindininy. 📩
📍 Toerana : Crèche Garderie Babydibou

14/03/2025

👶🏾 Vao teraka hatramin’ny 3 na efa-bolana eo dia mànana ny réflexe de préhension na réflexe d’agrippement ny zazakely.
✊🏾✊🏼 Zany hoe rehefa misy zavatra 🧴 mandalo ny fela-tanany dia maika ery lay tànana kely hamikitra lay zavatra. Ary tena matanjaka kely iny tànana iny an, na kavina na volo na inona fikirin’iny dia mamay mihitsy vao votsotra 🙌🏽

🫴🏽🫳🏼 Ny hataonay ato amin’ny crèche garderie Babydibou dia mi-stimuler an’iny reflexe iny :

👆🏽lalovana tondro ray ny tanan’ny zazakely hijerena hoe miezaka mamikitra ve ? Dia averimberina mandrapahalefilefin’ilay fikitra kely.

🐝mihira « nankaiza tanteliko teto » dia faly ery izy miezaka mamikitra sady mijery sy miezaka mihira miaraka amin’ny éducatrice

👶🏼👶🏻 asiana kilalao na mobile kely ezahiny samborina sy fikirina foana (rehefa soloina na mandritran’ny activité d’éveil)

Ary iny dia hafahanay mijery sahady hoe mandeha tsara ve ny développement an’ny zazakely ray.

🧏🏽‍♀️ Mitandrindra be zany zahay tsy mametraka zavatra majinika afaka ampidirin’ny ankizikely any am-bava.
Tsy manao kavina mikirozaroza ny mpiasan’ny creche fa manao kavina petaka foana rehefa amperin’asa.

Rehefa mirava avy miasa na eny an-dalana miasa afaka mijejojejo kely aloha. 💁🏽‍♀️

Ny an’ity maman amin’ny video ity zao tena miasa mafy mihitsy lay tànana kely 😜

09/03/2025

💼💻🤳Miasa amin’ny call-center ve ianao ary sahirana amin’ny fitadiavana crèche afaka mandray ny zanakao amin'ny maraina be, na hariva be na amin’ny alina ? 💼💻🤳

🙋Hatramin’ny nisokafanay dia ireto no fanontaniana matetika apetrakareo ao amin’ny MP :

❓Afaka alaina tara kely ve fa tsy voatery amin’ilay 18h voasoratra io fa lavitra be zahay no miasa dia taraiky amin’ny embouteillage nefa nahafinaritra anay lay visite tao aminareo ?
❓Zahay mivady miasa amin’ny call center dia lay mitady garde azo atokisana amin’ny alina no tena tadiavinay. Manao zany ve nareo ?
❓Manao garde de nuit ve ianareo, za mantsy miasa amin’ny call-center dia ndraindray miasa alina, na mirava alinalina.
..

🍼👶Tsotra ny valiny : afaka mandray ny ankizy rehetra amin’ny ora mampety anareo zahay. Mifampiresaka tsara ny andinindininy isika rehefa manao contrat.

⚖️Azavaina dieny eto fa manombo kely amin'ny saran'ny ankizy garde de jour, nohon'ny tahan'ny ankizy vitsy kokoa fa kosa natao hifanaraka amin’ny situation’ny ankizy tsirairay ny sarany. (ohatra hoe tsy mitovy ny frais de garde an’ny ankizy andrasana 5 nuits/semaine raha oharina amin’ny 2 nuits/semaine sy ny 1 nuitée/mois ...)

Ny alahady ihany zahay no tsy mandray ankizy ato amin’ny crèche Babydibou.

👩‍⚕ Aide-soignante ny asako taloha ary tena haiko ny fahasahiranana mitady mpitaiza amin’ny alina. Tsy maintsy miasa nefa tsy foy ny zazakely.

📆 Efa zatra rythme miasa atoandro na alina aho noho izany ary efa nanomana planning hahafahan’ny ekipa miodina rehefa misy RAD mangataka « garde de nuit ».

📩 Koa aza misalasala miantso na mitsidika ny crèche Babydibou eto Ambohimanarina (ampitan'ny Arrêt Manga)

20/02/2025

✨ Où nous trouver ? - Aiza no misy ahitàna ny creche gardedie Babydibou ?✨

📍 Notre crèche garderie Babydibou est située à Ambohimanarina devant l'Eglise FJKM Betafo Fanavaozana et en face de l'Arrêt Manga.
----
Eto anoloan'ny fiangonana FJKM Betafo Fanavaozana, tsy lavitra fa ampitan’ny Arrêt Manga an’Ambohimanarina no ahitanareo anay.

📞 Pour toute information, contactez-nous en message privé ou au 038 14 456 52.
----
Aza misalasala miantso na manoratra ao amin'ny hafatra miafina raha misy fanontaniana tianareo apetraka.

🧸À bientôt chez Babydibou - Mandra-piresaka indray ary ô !

Want your school to be the top-listed School/college in Ambohimanarina?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Category

Website

Address


Ambohimanarina
101