15/06/2026
❗ MATAHOTRA JUGEMENT AN'NY FIARAHAMONINA ?
Ity aloha fantaro.
1 - Tsy ianao irery akory no miaina an'izany. Donc, tsy bizarre izany ianao. Normal be mihitsy ary ianao ...
2 - Na inona ny ho ataonao dia ho tsarain'ny Fiarahamonina foana ianao. Na zavatra nataonao fanahiniana na tsia.
3 - Ny tsy Fiarahamonina tsy tompon'andraikitra amin'ny fahorianao na ny tsy fahombiazanao...
Ireo hitako teboka telo, tsara fantatra miresaka an'izay fitsaran'ny, tsikeran'ny Fiarahamonina izay isika...
Misy koa mbola miteny hoe : signe ana manque d'Estime de Soi izany. Fa amiko, normal izany jusqu'au point hoe, mamotika ny fiainanao ny fiantraikany.
Teny kely avy aty amiko, izay tsy voatery henoinao mazava ho azy!
Hihoaro (tsy aiko raha zao manoratra azy), tiako tenenina Dépasséo! Ny fatahoranao ny vavan'ny Fiarahamonina.
Ohatra : tsy sahy misaraka aho noho ny tahotra sao rabirabin'ny fianakaviana sy ny namana sy hafa!
Oui, tsy maintsy hiteny izy, mijanona ianao lazainy fa zavatra tadiavina ny anao. Misaraka ianao Mbola olana aminy koa zay...
Saingy, ianao no miaina ireo maharary rehetra ao anaty ilay relation fa tsy fianakavianao na namanao na Fiarahamonina ?
Sa tsy izany?
Farany : ankoatranao tsy misy olona mivakiloha ny ahasambatra anao izany. Donc, pense à toi aussi ry mamikely 😘
✨Mendrika ny tsara rehetra ianao❤️
❤️
Abonne-toi satria zaraiko anao aveo ny tohiny fizarana
14/06/2026
❗AZA ADINO HATRANY FA MAHAKIZITIN-DAVA MADAMA 😡
✅ NY TSY FAHAMPIANA KLEINTSIKLEINTSY 😊
08/06/2026
❗MBOLA HIOVA IHANY VE IZY?
"Afaka manantena ve aho Coach? Tsy izany mantsy fa miteny amiko foana izy fa Hiova hono izy. Dia matahotra aho hoe :
• Ahoana raha sarahako izy dia ilay olona mandimby ahy no mahatratra ilay fiovany ?
• Ahoana koa anefa raha miandry azy hiova aho nefa tsy miova akory izy?"
Ireo Manipulation
Ireo Culpabilisation
Ireo Dévalorisation
Ireo Mensonge
..
Mametraka ratra lalina ao am-ponao ireo, ratra tsy taza-maso satria tsy ahitana fery aty ivelany. Saingy, mamotika anao ao anatinao. Mamotika ny atim-panahanao.
❗Le Déclic. Oui, Le Déclic.
Programme iray, anampy anao ahalala marina ireo olona Pervers Narcissique. Indrindra fa hanokatra ny masonao. Satria amin'ny fotoana ahalalanao marina azy ireo. Eo no miova tanteraka ny rehetra.
Hidiro ity groupe WhatsApp • Le Déclic • ity fa ao no izarako ireo audios rehetra anatin'ity Programme ity
https://chat.whatsapp.com/Jl4APQS5LMW7CvhW9gvQBo?s=cl&p=a&mlu=2
Plus ianao tara tafiditra ao anaty groupe dia plus ianao tsy maharaka an'ilay fizarana
C'est 100% OFFERTE, Tsy misy vola aloha❤️
❤️
06/06/2026
❗TSARA NY MITIA, FA MILA MAHAY MIALA IHANY KOA🥺
Betsaka ny miandry hoe : afaka hono ilay fitiavana ao anatiny vao iala izy fa mbola mahatsapa fitiavana kely izy aloha amin'izao.
Hiandry fitiavana hiala? D'accord.
Fa ny sura, dia ianao irery ny olona tokana tena mahalala izay iainanao sy tsapanao.
Raha hoy ianao hoe, mbola zakaiko eto foana ny ahy satria mbola zakako. Hoy aho hoe : d'accord ... Raha izay no ahasambatra anao ... Pourquoi pas ?
Fa misy indraindray situation, izay hoe, ny miala ny vahaolana tsara indrindra...
Ary tsy misy olona vonona hisaraka izany. Ankoatrin'izay efa manana roue de secours. Fa mafy foana ny misaraka na hiomana firy volana ianao...
Farany, isaritako kely ny sainao fotsiny. Indraindray ilay zavatra tsapanao fa fitiavana be, andefaranao izay tsy fandefitra rehetra io. Tsy fitiavana akory no anarany fa dépendance affective.
Hey, mendrika ny tsara rehetra ianao ❤️
Izany hoe, rehefa ny tomany no maro noho alahelo. Sahia miala🥰
❤️
Abonne-toi satria zaraiko anao aveo ny tohin'ny fizarana
06/06/2026
❗Eny hoa aki kou🥺 ... Asaivo mianatra feo mandrotsirotsy aty aminah izy..🥵
Ary ianao, ampy anadinoanao fampirafesan'ny vadinao ve ny feo mangany?🥹
❤️
Abonne-toi ihany raha tsy Mbola abonné 😉
05/06/2026
❗Sa tsy ampy Kleintsikleintsy 🥺💔?
Abonne-toi.
❤️
05/06/2026
❗TSY TE IERIKA FITIAVANA INTSONY ...
Misy membres école de bonheur vao niditra tsy ela nilaza an'izay tao anaty groupe vao izao...
Ity ny ho hamaliako azy ary ataoko eto mba ho hitan'izay mety mahatsapa izay tsapany izay koa...
Raha misy olona noho ny ratra nahazo azy tamin'ny fitiavana. Tsy te ierika fitiavana intsony 🥺
Mahita aho hoe, rariny be mihitsy izany réaction izany. Satria miaro azy ny Égo-ny mba tsy haratra intsony.
Tonga hatramin'ny hoe, manompa an-tsaina mihitsy aza vao misy mikôty mihitsy aza ilay izy.
Oui, tsy adisona izany. Satria marary izy (ianao).
Ary ity tena tsara fantatra ihany alohan'ny hivadiana Lesbienne na hijanonana Célibat mandrakizay.
Ankoatrin'izay efa tsy maintsy atao : MANASITRANA NY RATRA ❤️ (toy ny atao ao amin'ny École Du Bonheur)
HiTantarako zavatra kely nareo, Nisy fotoana izaho sy ramatoakeliko mba nampiaraka dia nihinana pizza teo ankadikely teo. Fa tena tsy afa-po satria tsy arakarakin'ny alafony ny tsirony. Tsy midika anefa izany, izay mauvaise expérience anay izay Handraisanay hoe, Aza mandany vola amin'ny Pizza intsony fa ratsy ireny.
Lasa manao Généralisation isika, dia lasa voafehy anaty, finoana izay iarahantsika manaiky fa tsy Ratsy daholo izany ny pizza rehetra.
Nisy nanao recommandation mihitsy izahay hoe, eo Ambohitrarahaba dia efa misy milay be. Fa izahay tsy nahalala dia nijoboka (fomba filaza). Rehefa nakany izahay dia tena tsara tokoa. Tena afa-po nefa mora noho ilay teo Ankadikely.
Inona ny tiako tenenina ? Sahala amin'izay koa ny fitiavana.
Tsy ny fitiavana no ratsy, kouny an! Ary izay no tsy hitovizako fijery amin'ireo Coach miresaka fitiavana nefa tsy mahita afa-tsy aratsiana anaty relation.
Misy ny relation mahafinaritra, misy ny olona tena mamikely. Fa ilay olona niaraka tam tsika tamin'izany no nahazoantsika mauvaise expérience 💔...
Kouny an, Aza ferana tsy hiaina fitiavana intsony ianao, nefa olona iray no nandratra anao❤️...
Mianara mitia, manàna intelligence amoureuse ❤️ dia ataovy mamy be ilay relation manaraka aveo
✨ Mendrika ny tsara rehetra ianao ❤️
❤️
Abonne-toi satria zaraiko anao aveo ny tohin'ny fizarana
05/06/2026
❗ Indraindray anie, miandry DÉCLIC kely fotsiny ianao...
Fa efa ao aminao daholo ny ressources nécessaires rehetra ilaina🥰...
❤️
04/06/2026
❗ATAO AHOANA NY MANITSY NY OLON-TINAO REHEFA MANAO ADISOANA IZY?
Atomboko amin'ny zavatra tsy azo atao angamba ny fanazavana alohan'ny anoroko izay tena tokony atao.
Tsy azo atao ny miandry kendritohana any vadinao na ny sipanao amin'ny adisoana nataony, sahalany hoe zaranao ara izy nanao an'izay mba itenitenenanao azy.
Olombelona toa anao ny vadinao na ny sipanao, raha tinao hainoany ny zavatra lazainao azy :
- rehefa miteny azy dia ataovy amin'ny mangingina fa tsy imason'olona, na namana, na havana, na zanakareo aza.
- rehefa miteny azy, ataovy amin'ny feo mahalefaka feno fitiavana, tandremo ny fampiankaram-peo.
- rehefa miteny azy dia aza iandrasana efa fanindroany na fanintelony vao miteny, fa vao manao indray mandeha izy dia miteny ianao.
- rehefa miteny azy, fadio ny fampitahana azy amin'ny hafa, na fampitahàna ny fiarahanareo amin'ny any hafa.
- rehefa miteny azy, dia ny anio ihany lazaina fa aza iverenana ny lasa.
- rehefa miteny azy, ataovy am-pitiavana fa tandremo sao manao teny tsy zaka mikitika ny ambo-po any!
Ireo no tokony kely indrindra azo atao amin'ny anantenana fiovana amin'ny fomba hanintsiana olona raha tena noho fitiavana no itenenanao azy.
Arak'izay nolazaiko anao, ny olona tsirairay dia tokana amin'ny qualité any sy ireo défaut any. Fa na izany aza, ny tsy fahafantaranao ny toetrany sy ny maha-izy azy amin'ny ankapobeny dia mety handiso ny fomba fitenenanao azy.
Misy ireo olona rehefa hiteny azy dia mila fanazavana be mihitsy vao mety aminy, koa raha tsotsorinao ny resaka, tsy misy irarahiany an'izany.
Misy ireo olona, mila asina fihetsem-po be ny fomba itenenanao aminy vao azony sy voarainy ny tianao lazaina.
Tsy misy ny mandeha hoazy izany🫤
✨ Mendrika ny tsara rehetra ianao ❤️
❤️
Abonne-toi satria zaraiko anao aveo ny tohin'ny fizarana
03/06/2026
❗Mahereza fa mbola ho avy foana fotoana ipetafany anao... Dia tanteraka ilay 3 minitra nirinao androany io❤️
Bonne nuit mamikeliny Dada 🙂