20/06/2026
🛑🎗️MODELE IA PREMIUM NEFA MAIMAIM-POANA
Sahirana Kely tsika matetika rehefa misy an'ilay hoe abonnement ''prenium'' ihany no afaka mahazo plus d'options rehefa lany limite gratuit antsika , matetika amin'i IA maro taon' i ChatGPT, Claude, Gemini na DeepSeek. Saingy misy sehatra ahafahana mitsapa sy mampitaha ireo modely ireo nefa tsy mila mandoa vola mivantana akory Ary mino ah fa anampy betsaka anareo ireto :
💫🔵LM ARENA
LM Arena dia sehatra ahafahanao mampitaha modely IA maro amin'ny prompt iray ihany.
• Mandefa fanontaniana na prompt iray monja ianao.
• Modely IA samihafa no mamaly azy, toy ny ChatGPT, Claude, Gemini, DeepSeek ary modely open-source hafa.
• Afaka mampitaha mivantana ny valiny ianao mba hahitana hoe iza no tena mahomby.
• Tena ilaina amin'ny rédaction, coding, résumé, traduction, recherche ary explication.
• Manampy anao hisafidy ny modely mety indrindra amin'ny zavatra ataonao.
💫🔵DESIGN ARENA
Design Arena kosa dia mifantoka amin'ny génération d'images sy création visuelle.
• Afaka mamorona affiches, logos, illustrations ary visuels ho an'ny réseaux sociaux.
• Afaka manao maquettes UI/UX sy design ho an'ny sites web na applications.
•Ahafahanao mamorona site na apk web koa izy ty (Ary tamin'ny nanandrana izahay dia efa misy sous-domaine Kely mihitsy omeny dia afaka consulter nao ilay site , mahafinaritra kely)
• Mampitaha ny vokatra avy amin'ny modely IA samihafa ianao ary misafidy izay tsara indrindra.
• Ahafahana mitsapa modely avancés ampiasaina amin'ny création graphique sy contenu visuel.
• Tena mety ho an'ny graphistes, créateurs de contenu ary développeurs.
Mahaliana azy izany ahafahanao :
• Mitsapa modely premium alohan'ny hanaovana abonnement.
• Mampitaha ny kalitaon'ny valiny sy ny vokatra azo.
• Mahazo tombony amin'ny herin'ireo IA matanjaka indrindra nefa tsy mila mandoa vola mivantana.
Raha mahaliana anao ny contenu toy izao dia tohano ny pejy Ary aza adino manisy réaction 😊
18/06/2026
💫🛑SITES 3 FANAOVANA HÉBERGEMENT GRATUIT HO AN'NY TRANONKALA SY APPLICATION WEB
Olatsika débutant amin'ny developpement web matetika ny mi_test ny site web na application antsika,satria mila héberger_na ilay izy , amin'izay koa ny hafa mba afaka mahita sy mampiasa azy .
Ireto ary misy sehatra telo malaza manolotra hébergement gratuit :
🛑InfinityFree
InfinityFree dia sehatra hébergement gratuit natao indrindra ho an'ny tranonkala mampiasa PHP sy MySQL.
Mampiavaka azy :
🔹Hatramin'ny 5 Go ny toerana fitahirizana (stockage)
🔹 Bande passante betsaka
🔹Fanohanana PHP sy MySQL
🔹SSL (HTTPS) gratuit
🔹 Domain manokana azo ampiasaina
🔹 Tsy mampiseho dokambarotra amin'ny tranonkala
🔹 Mety amin'ny WordPress sy site dynamique
Tsara ho an'ny : PHP, SQL, WordPress ary tranonkala tsotra ka hatramin'ny antonony.
🛑 PythonAnywhere
PythonAnywhere dia sehatra hébergement gratuit natokana ho an'ny **Python**.
Ny Mampiavaka azy :
🔹 Hébergement application Python gratuit
🔹 Fanohanana Flask sy Django
🔹 Console Python mivantana ao amin'ny navigateur
🔹 SSL gratuit
🔹Subdomain gratuit (`anaranao.pythonanywhere.com`)
🔹 Tsy mila manamboatra serveur na mametraka Python amin'ny solosaina
Tsara ho an'ny: Python, Flask, Django ary fanazaran-tena amin'ny développement web.
🛑Render
Render dia sehatra hébergement moderne ampiasaina amin'ny famoahana application web sy API.
Mampiavaka azy :
🔹Fanohanana FastAPI, Django, Flask, Node.js ary teknolojia maro hafa
🔹 Fampifandraisana mivantana amin'ny GitHub
🔹Déploiement automatique rehefa misy fanovana amin'ny kaody
🔹 SSL gratuit
🔹 Domain manokana azo ampiasaina
🔹 Mety amin'ny application sy API moderne
Tsara ho an'ny : API, application web moderne ary tetikasa matihanina.
* InfinityFree: safidy tsara ho an'ny PHP, MySQL ary WordPress.
**PythonAnywhere: safidy tsara ho an'ny Python, Flask ary Django.
***Render : safidy tsara ho an'ny API sy application web moderne.
Na dia gratuit aza ireo sehatra ireo, dia tsy maintsy hisy limite nefa izy ireo amin'ny maha gratuit azy, efa ampy tsara hanombohana fianarana développement web sy hampiantranoana ireo tetikasa voalohany nefa izy ireo .
Iza amin'ireo no mety tena hahaliana anareo? Asitsika tuto haoan'ny site be recommandation indrindra
Academy (Araho ny pejy raha nanampy anao ny nahalala an'ireo)
17/06/2026
🏴☠️ CTF ETO MADAGASIKARA : HACKATHON CYBERSECURITÉ
Mahaliana tokoa ity événement izay ho tanterahana Eto Amitsika ity, ka aleo mba horesana antsika Eto fa tena ilaina.Inoana fa tena anampy ny fiarovana numérique eto Madagasikara izy ty .
Ho hita any ireo ''ethical hackers'', olona mampiasa ny fahaizany hitadiavana lesoka(failles) sy hanamafisana ny fiarovana ny rafitra informatika.
Izany indrindra no tanjon'ny Capture The Flag (CTF) izay hotanterahina mandritra ny Symposium de la Cybersécurité ny 22 sy 23 Jona 2026 any Novotel Alarobia. Fifaninanana Hackathon ara-teknika ahafahan'ny mpandray anjara miatrika challenge maro samihafa eo amin'ny tontolon'ny cybersecurity izy io.
Ny CTF dia mifototra amin’ny fitadiavana “flags”, kaody miafina ao anaty tranonkala, donnée, sary, na rafitra voaaro. Ny tanjona dia tsy ny “hacking” ratsy, fa ny fahaiza-mandinika, logique ahitana ireo flags ireo.
Ireto avy ny contexte sy terme ilazanao an'ireo izay tsara ho fantatrao:
🔹 Web Security (fitadiavana faille amin’ny tranonkala)
🔹 Forensics (famakafakana donnés sy porofo nomerika)
🔹 Cryptography (kaody sy hafatra miafina)
🔹 Reverse Engineering (famakafakana logiciel)
🔹 Network Security (fifandraisana sy fiarovana tambajotra)
CTF dia tsy fifaninanana tsotra fotsiny fa sehatra fanofanana tena akaiky ny tontolo iasan’ny cybersecurity amin’izao fotoana izao.
💻 Amaivanina loatra ny sécurité numérique eto Amitsika nefa tena Ilaina ,tena ankasitrahana ary ny fisian'io événement io.
👉 Raha jerena ny fivoaran’ny cyberattaque ankehitriny,tsy tokony hatao anisan’ny fampianarana manokana ve ny CTF ho an’ny tanora misehatra amin'ny cybersecurité ?
(Inona fa nampitombo fahalalana anao ity publication ity
Araho ny pejy Raha mahaliana anao ny vaovao toy izao)
15/06/2026
🚀 AGI : MAHATALANJONA NY FIVOARAN'NY IA AO ARIANA AO
Mahavariana,miova haingana ny tontolo iainantsika ary mihazakazaka ny fivoaran'ny teknolojia. Araka ny nambaran'i Elon Musk, mety ho tonga eo anelanelan'ny 2026 ka hatramin'ny 2030 ny AGI (Artificial General Intelligence).
🔹 Inona ny AGI ?
AGI dia karazana IA afaka mianatra sy manao asa maro tahaka ny olombelona, ary afaka mampifanaraka ny fahalalany amin'ny sehatra samihafa.
🔹 Inona no maha samy hafa azy amin'ny IA ankehitriny ?
• Ny IA ankehitriny dia natao hanao asa voafaritra (mamaly fanontaniana, mamorona sary, mandika teny, sns).
• Ny AGI kosa dia heverina ho afaka mieritreritra, mianatra ary mamaha olana amin'ny sehatra maro tahaka ny olombelona.
🔹 Ohatra tsotra :
Raha omena tanjona hoe "manokafa orinasa mivarotra akanjo an-tserasera" :
• Ny IA ankehitriny dia afaka manampy amin'ny famoronana logo, lahatsoratra na tranonkala rehefa angatahana.
• Ny AGI kosa dia mety hahavita mikaroka ny tsena, mamorona paikady ara-barotra, manangana ny tranonkala, mitantana ny dokam-barotra ary manatsara ny orinasa ho azy, nefa tsy mila toromarika amin'ny dingana rehetra.
🔹 Inona no nolazain'i Elon Musk ?
• Tamin'ny 2024 dia nilaza izy fa mety hahita AGI isika amin'ny 2025 na 2026.
• Ankehitriny dia 2026 no tanjona lehibe resahiny.
• Tombanany fa amin'ny 2030 dia mety hihoatra ny fitambaran'ny fahaizan-tsain'ny olombelona ny IA.
⚠️ Na izany aza, maro amin'ireo manam-pahaizana no mihevitra fa mety mbola ho ela kokoa vao tena hahatratra izany tanjona izany.
💬 Ahoana ny hevitrao? Ho tonga amin'ny 2026 ve ny AGI sa mbola lavitra izany?
Mety anao ahoana ny sehatry ny asa manoloana an'io ?
👉 Araho ny pejy raha te hahalala bebe kokoa momban'ny teknolojia, fianarana ary ny hoavin'ny tontolo nomerika.
13/06/2026
📱 NAMOAKA MODÈLE IA MANDEHA TSY MILA CONNEXION I GOOGLE
Google dia namoaka ny Gemma 4, modely IA afaka miodina mivantana ao anaty smartphone na ordinateur, tsy mila connexion Internet. Modely “open weight” izy io, ka azo sintonina sy amboarin’ny mpamorona araka izay ilainy.
Ny tombony lehibe indrindra dia ny hoe mijanona ao amin’ilay fitaovana ihany ny angonao(donnés personnelles), fa tsy voatery halefa any amin’ny serveur any ivelany.
🔹 Fa maninona i Google no namoaka IA mandeha hors ligne?
• Voalohany, mba hanamafisana ny fiarovana ny tsiambaratelon’ny utilisateur. Tsy mila alefa any amin’ny serveur intsony ny angona manokana ka mihena ny loza mety hitranga amin’ny fitahirizana sy fanodinana azy ireo.
• Faharoa, mba hahafahan’ny olona sy ny orinasa mampiasa IA na dia tsy manana connexion Internet matanjaka aza, sady tsy miankina amin’ny vidin’ny API cloud, tsisy resaka limite de tokens sy jetons intsony , io manko matetika no olatsika.
• Farany, mba hifaninana amin’ireo modely IA open source hafa ary hisarihana mpamorona bebe kokoa amin’ny alalan’ny licence malalaka Apache 2.0 sy ny fahafahana mampandeha IA amin’ny fitaovana tsotra.
💬 Ary ianao?
Raha afaka nametraka ny Gemma 4 ao anaty findainao ianao, ka mampiasa IA matanjaka mandeha 100% hors ligne, inona no zavatra voalohany hataonao aminy? 👇😊
12/06/2026
🇲🇬MALAGASY AO AMBADIK'IREO IA MANERAN-TANY 🌍
Araka ny reportage nataon'ny gazety any ivelany( France Info) , raha ny any Silicon Valley na any ivelany no tonga ao an-tsainan'ny maro rehefa resahina ny IA, ny marina dia eto Madagasikara no misy ireo mpiasa fototra mampandeha izany fivoarana izany !
Amin'izao fotoana izao, tanora Malagasy manan-talenta an'aliny maro no miasa isan'andro mampiofana ( entraîner ) sy manatsara ireo algorithmes fampiasantsika isan'andro.
🛠️ Inona no asa ataon'izy ireo ary inona no akony aminao ?
Tsy mandeha irery ireny , fa ireto no tena ohatra mivaingana amin'ny asa ataon'ny malgache sy ny akony amin'ny IA fampiasantsika :
1. Amin'ny fividianana entana an-jotra ( E-commerce / Amazon ) :
Ny asa ataon'ny Malgache : Mampitaha sary roa (kilakao, kiraro, lokomena, ...) izy ireo ary manamarika raha mitovy na tsia ireo entana ireo.(Algorithme de comparaison)
Ny akony amin'ny IA fampiasanao: Rehefa mitady entana ao amin'ny tranonkala fivarotana ianao, dia mahay manasaraka, manasokajy, ary manolotra avy hatrany ilay entana na lokomena tena mifanaraka indrindra amin'izay tadiavanao ilay tranonkala.
2. Amin'ireo Applications de rencontre :
Ny asa ataon'ny malagasy : Manamarina sy mitsara ny sarin'ireo olona misoratra anarana (ohatra : Mijery raha mety ilay sary, mijery n'y expression du visage Ary manome instruction an'ilay algorithmes).
Ny akony amin'ny IA fampiasanao: Rehefa mitady namana mitsiky na sariaka ao amin'ireny applications ireny ianao, dia mahay manivana sy mampiseho avy hatrany ireo sary tsara indrindra mifanaraka amin'ny safidinao ilay IA.
3. Amin'ny finday sy ny sary ( Filtres / Reconnaissance faciale ) :
Ny asa ataon'ny malagasy : Manisy marika ( annoter ) ny bikan'ny endrika na solomaso amina sary an-jaton'arivony.
Ny akony amin'ny IA fampiasanao: Rehefa manokatra finday amin'ny endrika ianao ( Face ID ), na mametaka filtres amin'ny sary, na koa manandrana solomaso virtoaly ao amin'ny tranonkala, dia mipetraka tsara amin'ny tavanao ilay izy fa tsy miboridana.
🎯 Nahoana indrindra no isika Gasy ?
Fantatra maneran-tany ny lazantsika Malagasy noho fahazotoana, ny fitsirihana ny antisipiriany ( sens du détail ), ary ny fahaizana tsara ny teny frantsay na dia samy eketsika Ary hoe fombatsika Ilay miandry Kely vao manao zavatra.Kanefa isika Gasy dia samy manantalenta azo trandrahana tsara .
Izahay ato amin'ny Stacknova Academy dia manasa anao anaraka formation ato aminay Sao Dia ianao anisan'ireo manantalenta sy fahaizana .
🔥 Manaporofo daholo ireo fa tsy mpijery sy mpampiasa fotsiny isika, fa tena mandray anjara mavitrika sy mivantana amin'ny fampandrosoana ny Intelligence Artificielle maneran-tany i Madagasikara ! ✨
Mirary tontolo Andro mahafinaritra antsika rehetra ✨
(Arao ny pejy Ary aza adino manisy réaction Raha nahaliana anao ity.)
10/06/2026
🔐 CYBERSÉCURITÉ : MIHAMAFY NY FIAROVANA NOMERIKA ANY EUROPE
Vao tsy ela akory izay, nisy fanafihana informatika nahakasika ampahany amin’ny Internet nandritra ny fotoana fohy. Tsy dia tsikaritry ny ankamaroan’ny mpampiasa izany, fa ireo orinasa lehibe sy mpitantana fotodrafitrasa nomerika no tena nahatsapa ny vokany.
Raha manana orinasa ianao, mitantana pejy, réseaux sociaux, na vondrom-piarahamonina an-tserasera, dia mety hahaliana anao ity lahatsoratra ity. Mihamaro isan’andro mantsy ny loza amin’ny tontolo nomerika ka lasa ilaina kokoa noho ny hatramin’izay ny fiarovana ny tambajotra sy ny donnés.
❌NIS2 : Lalàna vaovao hanamafisana ny fiarovana
Anisan’ny fepetra raisin’i Europe ny NIS2 (Network and Information Security 2), lalàna vaovao natao hanamafisana ny fiarovana ny rafitra informatika sy ny tambajotra. Izy io dia mikendry ireo sehatra tena ilaina toy ny angovo, fahasalamana, banky, fitaterana ary serasera.
Araka ity lalàna ity dia tsy maintsy manamafy ny fiarovana sy mitatitra haingana ireo tranga lehibe amin’ny fanafihana informatika ny fikambanana voakasika. Mety hisy sazy ihany koa raha tsy manaraka ny fepetra takiana izy ireo.
📍 Fahalemena ara-teknika sy fanafihana DDoS
Na dia mihamafy aza ny lalàna, mbola misy hatrany ireo lesoka ara-teknika hita amin’ny teknolojia ampiasaina amin’ny Internet. Ohatra, nisy fahalemena hita tao amin’ny HTTP/2, izay nampiasain’ny mpanafika hanaovana attaque DDoS (Distributed Denial of Service), ka nahatonga tranonkala sy service maro tsy afaka niasa ara-dalàna.
Ho an’ny orinasa, mety hiteraka fahatapahan’ny Services ,fatiantoka ara-bola ary fahasimban’ny laza izany raha tsy ampy ny fiarovana napetraka.
📌 Maneho izany fa ilaina kokoa noho ny hatramin’izay ny fanamafisana ny fiarovana nomerika amin’izao vanim-potoana izao.
(👉 Araho ny pejy raha te hahalala bebe kokoa momba ny cybersécurité sy ny teknolojia ianao.)
09/06/2026
⚡💻 𝗜𝗡𝗢𝗡𝗔 𝗡𝗢 𝗔𝗡𝗝𝗔𝗥𝗔 𝗔𝗦𝗔𝗡'𝗡𝗬 𝗣𝗛𝗣 𝗔𝗠𝗜𝗡'𝗡𝗬 𝗣𝗔𝗚𝗘 𝗪𝗘𝗕 ? 👀
Raha toa ka ny HTML, CSS ary JavaScript no manome endrika sy fonctionnalités ho an'ny page web iray, inona indray no anjara asan'ny PHP ?
Hatreto dia efa afaka mamorona site vitrine isika :
• lahatsoratra sy sary • boutons sy menus • animations sy interactions
Fa ahoana kosa raha te hanao :
• système de connexion • création de compte • commentaires • stockage de données
isika ?
👉 Eo indrindra no ilàna ny PHP.
1️⃣ INONA NO ATAON'NY PHP ?
PHP dia langage backend miasa ao amin'ny serveur.
Izy no :
• mandray données avy amin'ny formulaire • mitantana utilisateurs • mifandray amin'ny base de données • manatanteraka asa ao ambadiky ny site
Raha ampitahaina :
🏗️ HTML → rafitra
🎨 CSS → endrika
⚡ JavaScript → interactions
🐘 PHP → atidohan'ilay site ao ambadika
2️⃣ INONA NO AZO ATAO AMIN'NY PHP ?
Afaka manao :
• connexion utilisateur • inscription • publication commentaires • gestion base de données • espace administrateur
Ohatra, rehefa miditra Facebook na Instagram ianao dia misy backend mitahiry sy mitantana ireo informations rehetra ireo.
3️⃣ AHOANA NO IASAN'NY PHP ?
Rehefa mandefa formulaire na manao connexion ny utilisateur :
• mandray ny données ny PHP • manamarina azy • mitahiry azy raha ilaina • mandefa valiny any amin'ny navigateur
Izany rehetra izany dia mitranga ao anatin'ny segondra vitsy.
4️⃣ PHP IRERY VE NO AMPY ?
Tsia.
Miaraka miasa foana izy ireo :
🏗️ HTML
🎨 CSS
⚡ JavaScript
🐘 PHP
Ireo no anisan'ny fototry ny développement web moderne.
📚 Mianara développement web sy cybersécurité miaraka amin'ny StackNova Academy.
📞 WhatsApp : +261 34 93 256 29
👍 Araho ny pejy raha te hahazo contenu informatika sy teknolojia bebe kokoa.
08/06/2026
🔵 FANOVAN'I MICROSOFT AO AMIN'NY WINDOWS 11
Tato ho ato dia niteraka resabe teo amin'ny tontolon'ny développeurs ny fanapahan-kevitr'i Microsoft hanova ny fomba fiasan'ny Windows 11 eo amin'ny console.
Nambara Microsoft fa Windows 11 dia hahazo fonctionnalité vaovao antsoina hoe Coreutils, izay hitondra commandes Linux malaza mivantana ao anatin'ny rafitra.
❌ INONA NO TOE-JAVATRA TALOHA?
Hatramin'izay, raha te hampiasa commandes toy ny cp, mv, grep, ls ary Linux commands hafa ianao dia voatery nampiasa WSL (Windows Subsystem for Linux).
Midika izany fa mila mametraka environnement Linux ao anatin'ny Windows, na mampiasa machine virtuelle, vao mahazo expérience Linux-style ao amin'ny terminal.
Ho an'ny DevOps, sysadmin na backend developer, dia niteraka fahasarotana izany indraindray: script iray mandeha tsara amin'ny Linux, nefa mila adaptation na configuration fanampiny vao mandeha tsara amin'ny Windows.
📍 INONA NO ENTIN'NY COREUTILS AO AMIN'NY WINDOWS 11?
Amin'ity fonctionnalité Coreutils ity dia hampiditra mivantana ao amin'ny Windows 11 ireo Linux core commands fototra i Microsoft.
Midika izany fa afaka mampiasa cp, mv, grep, ls sy commandes hafa ao amin'ny Command Prompt na Windows Terminal ianao, tsy mila manokatra WSL intsony.
Ho mora kokoa ny mampandeha scripts sy outils miankina amin'ireo commandes Linux fototra, ary hihena ny fahasamihafana eo amin'ny tontolo Linux sy Windows ho an'ny développeurs.
Ho an'ny entreprises kosa, mety hidika configuration tsotra kokoa izany satria rafitra iray ihany no ampiasaina, nefa mahazo expérience console manakaiky kokoa ny Linux.
👉 AMIN'NY TENY TSOTRA :
Windows 11 dia lasa Linux-friendly kokoa ho an'ny développeurs.
Ny scripts sy outils mampiasa cp, mv, grep, ls sns. dia ho mora kokoa ny mampandeha azy amin'ny Windows.
Mihena ny elanelana misy eo amin'ny expérience amin'ny serveur Linux sy ny PC Windows ampiasain'ny développeur.
Tsy voatery hampiasa WSL foana intsony amin'ny asa tsotra mifototra amin'ny Linux commands.
⸻
💬 ANDRASANTSIKA NY FANEHOAN-KEVITRY NY COMMUNAUTÉ DEV MANOLOANA ITY FANOVÀN'I MICROSOFT ITY.
Inona ny hevitrao? Hanamora ny asan'ny développeurs ve ity sa mbola hijanona ho safidy tsara kokoa hatrany ny WSL? 🤔
📌 Raha te hanaraka vaovao momba ny programmation, cybersécurité, intelligence artificielle, réseaux, systèmes ary ny tontolon'ny teknolojia amin'ny ankapobeny ianao, dia aza adino ny manaraka ny pejy. 🚀💻
06/06/2026
🚨 FANAFIHANA NY FILOHAN'NY PARLEMANTA ALLEMAND >>PHISHING
Araka ny tatitra nivoaka, Julia Klöckner, filohan'ny parlemanta allemand (Bundestag), dia isan'ireo lasibatry ny fanafihana phishing, ny mpampiasa Signal.
Tamin'ny volana Aprily 2026, nisy andiana fanafihana phishing nikendry manokana ireo mpanao politika, miaramila, diplaomaty ary mpanao gazety tao Allemagne. Araka ny tatitra navoaka tamin'ny 22–24 Aprily 2026, voakasik'izany ihany koa i Julia Klöckner ka voahitsakitsaka ny kaontiny Signal. Niteraka ahiahy lehibe teo anivon'ny manampahefana alemand ity raharaha ity ary nosokafana ny fanadihadiana momba ny mety ho fitsikilovana sy fanangonana vaovao miafina.
⚠️ Mampiseho ity tranga ity fa na ireo olona manana andraikitra ambony indrindra aza dia mety ho voafitaky ny cybercriminels raha tsy mailo.
🔎 Inona no lesona azo raisina?
✅ Tandremo ireo hafatra mampiahiahy sy rohy tsy fantatra loharano
✅ Aza mizara PIN, mot de passe na kaody fiarovana amin'olona
✅ Hamarino foana ny maha-azo itokiana ny hafatra raisinao
✅ Ampiasao ny authentification a deux facteurs (2FA) raha azo atao
✅ Ataovy MAJ hatrany ny applications sy ny rafitra ampiasainao
🔒 Ny kaonty iray dia mety ho very ao anatin'ny segondra vitsy raha tsy mitandrina. Noho izany dia zava-dehibe ny fananana fahalalana fototra momba ny cybersécurité.
🌐 Ny teknolojia mivoatra isan'andro, ary mitovy amin'izany koa ny paikadin'ireo cybercriminels.
👉 Araho ny pejy raha te hahazo:
_ Fampianarana Informatika
_ Torohevitra Cybersécurité
_ Vaovao Technologique maneran-tany.
Misaotra namaky hatramin'ny farany ✨, Mirary tontolo mahafinaritra antsika rehetra ✨