ICAME formation

ICAME formation

Share

Votre partenaire de confiance en formation professionnelle en Mécanique Automobile à Madagascar🔧

18/06/2026

🚗 Saika isan’andro ianao no mampiasa ny fiaranao.

Fa tena fantatrao ve izay mitranga ao ambanin’ny capot ?

Maro ny mpamily mandray fanapahan-kevitra momba ny fiarany nefa tsy mahatakatra :

❌ ny dikan’ny voyant mirehitra
❌ ny antony mahatonga panne
❌ ny mahatonga ny fahasimban’ny pièces sasany haingana

Inona no vokany ?

Rehefa misy fanamboarana. lafo vao mandray andraikitra.

👉 Ny fahafantarana ny fiaranao dia tsy natao ho an’izay te ho mécanicien ihany.

Fa manampy indrindra hiaro ny fampiasam-bolanao.

Satria ny fahafantarana ny fiara no hahafahana mikarakara azy tsara kokoa.

🎓 Ny fahaizana mécanique dia tsy ilaina ao amin’ny atelier ihany.

Fa ilaina isaky ny mitondra fiara ianao.

Photos from ICAME formation's post 11/06/2026

⚠ Misy zavatra fantatry ny mécanicien tsara...

Fa tsy fantatry ny ankamaroan'ny mpamily.

Ary mety hamonjy anao amin'ny fandaniana lehibe izany.

Araho anaty sary

Photos from ICAME formation's post 04/06/2026

⚠ Tsy tampoka foana ny panne.

Matetika dia vokatry ny fahazarana madinika miverimberina izany.

28/05/2026

🔧 Ny apprentissage ratsy dia mety hanaraka mécanicien iray mandritra ny taona maro.

Izany no mahatonga ny formateurs anay tsy hanaiky :
❌ hampianatra fihetsika tsy misy fanazavana
❌ handefitra amin’ny asa tsy marina tsara
❌ hampirisika fanamboarana atao an-jambany

Amin’ny mécanique automobile, ny fahatakarana dia manan-danja tahaka ny fahaizana manao azy.

Satria tsy maintsy ho voafetra ny fivoaran’ny mécnicien izay miasa tsy misy logique.

🎓 Ny fanofanana mécanicien mahay dia tsy fampitana fahazarana fotsiny.

Fa fampivelarana :
✔ rigueur
✔ réflexion technique
✔ précision
✔ logique professionnelle tena izy

Izany fitakiana kalitao izany no manangana fahaizana maharitra.

📍ICAME, Lot III G 15 Ter, Andrefan’Ambohijanahary, trano maitso 1er étage ampitan’ny BNI

📞0343699233

21/05/2026

⚙ Amin’ny mécanique automobile, tsy voatery ilay pièce simba no tena olana.

Mety ho simba ny pièce iray…
nefa tsy izy no tena niavian’ny panne.

❌ Soloina ny batterie nefa alternateur no tsy mandeha tsara
❌ Ovaina ny injecteur nefa système électrique no misy olana
❌ Soloina ny capteur nefa tsy nojerena ny tena niavian’ny anomalie

🔧 Mety mbola hitohy ihany ny olana amin’ny fiara…
na dia efa nosoloina aza ny pièce iray.

Nahoana ?

👉 Satria amin’ny mécanique automobile, ilaina ny mahatakatra ny tena niavian’ny panne.

👉 Ny fanoloana tsy misy analyse dia matetika mitsabo soritra fotsiny… fa tsy ny tena antony, ary mety hiteraka :
❌ fandaniana tsy ilaina
❌ fahaverezan’ny fotoana
❌ panne miverimberina

Ny tena compétence mécanique dia tsy mijanona amin’ny fanoloana pièce fotsiny.

Fa miankina amin’ny fahatakarana :

✔ nahoana no miseho ny olana
✔ ahoana ny fiasan’ny système
✔ inona marina ny intervention ilaina

🎓 Izany fomba fiasana izany no ampivelarin’ny fiofanana matotra.

📩 Misokatra izao ny fisoratana anarana amin’ny fiofanana mécanique automobile.

📍ICAME, Lot III G 15 Ter, Andrefan’Ambohijanahary, trano maitso 1er étage ampitan’ny BNI

📞0343699233

14/05/2026

Amin’ny mécanique automobile, ny pratique tsy misy théorie dia toy ny manamboatra nefa tsy tena mahatakatra.

Amin’ny voalohany dia mety ho toa ampy izany.

Fa rehefa mandeha ny fotoana :
❌ miverimberina ny fahadisoana
❌ misy olana tsy voavaha
❌ miadana ny fivoarana

🎓 Ny fiofanana matotra dia manampy hanangana logique technique mafy o***a.

Ary izany no manova ny fomba fiasana.

Photos from ICAME formation's post 07/05/2026

Ny fiara dia tsy simba tampoka foana.

Matetika, misy famantarana alefany mialoha.

👉 Ny olana dia maro no tsy mahay mamaky izany.

Ny fahatakarana mécanique automobile dia tsy ilaina ho an’ny mécanicien ihany.

Fa manampy koa hahafahana miaro sy mitazona tsara ny fiara.

📩 Misokatra izao ny fisoratana anarana amin’ny fiofanana mécanique automobile.

034 36 992 33

30/04/2026

🔧 10 volana hanjary mécanicien. Tsy 10 andro.

Ato aminay, tsy atao maika ny fiofanana.

Safidy io faharetana io.

👉 Safidy hanofanana araka ny tokony ho izy.

Satria amin’ny mécanique automobile,
mitaky fotoana ny fahatakarana système.
mitaky pratique ny fampivoarana lojika.
mitaky rigueur ny fifehezana asa.

✔ mianatra
✔ mamerina
✔ manitsy
✔ mahafehy

🎓 Izany no lalana hanjary mécanicien tena mahay.

Tsy mitady hanafaingana izahay.
Fa mikendry ny hampianatra amin’ny fomba marina sy mazava.

🎓 Ny fiofanana tena izy tsy atao hitsin-dalana.
Fa atao mba hahatakarana tsara sy ho voafehy tanteraka.

Amin’ny farany, hita eny am-piasana ny maha samy hafa.
Amin’ny fahitsiana.
Amin’ny fomba fiasana.
Amin’ny vokatra.

📩 Raha te hianatra amin’ny fomba matotra sy voalamina ianao, misokatra ny fisoratana anarana.


Photos from ICAME formation's post 23/04/2026

Mihamaro ireo mécaniciens mahazo fahafahana miasa any ivelany.

Ny mampiavaka azy ireo ? Fiofanana matotra sy fahaiza-manao voafehy tsara.

Midira amin’ny fiofanana ary amboary ny hoavinao!

📍Lot III G 15 Ter, Andrefan’Ambohijanahary, trano maitso 1er étage ampitan’ny BNI

📞034 36 992 33

16/04/2026

Mécaniciens roa.
Fitaovana mitovy.
Panne mitovy.

Fa tsy mitovy ny vokatra.

Nahoana ?

👉 Satria ny mécanique automobile tsy miankina amin’ny fitaovana.
Fa miankina amin’ny fomba fisainana.

Ny mécanicien voaofana tsara dia :

✔ mampifandray ny soritra tsy fetezana
✔ mahatakatra ny fifandraisan’ny systèmes
✔ mahay mialoha ny mety ho vokany

👉 Tsy miasa anjambany izy.
Fa kosa manaraka lojika mazava.

Izany lojika izany no misoroka ny erreur.

🎓 Ary izany lojika izany… ianarana.

Want your school to be the top-listed School/college in Antananarivo?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Category

Telephone

Website

Address


Ratsimandrava
Antananarivo

Opening Hours

Monday 08:00 - 17:00
Tuesday 08:00 - 17:00
Wednesday 08:00 - 17:00
Thursday 08:00 - 17:00
Friday 08:00 - 17:00
Saturday 08:00 - 12:00