20/06/2026
Tongava maro !
Madagascar
20/06/2026
Tongava maro !
🇲🇬 TVM | Vaovao momba ny Fotoam-bavaka ho an’ny Tanindrazana tao amin’ny Mosquée d’Antananarivo 67Ha 🇲🇬
🎥 Hafatra avy amin’ny manampahaizana iray nandritra ny fotoam-bavaka ho fanamarihana ny faha-66 taona nahazoan’i Madagasikara ny fahaleovantena sy ny niorenan’ny Foloalindahy Malagasy, izay notanterahina tao amin’ny Mosquée d’Antananarivo 67ha, izy moa dia isan’ireo mpikambana ao amin’ny C.N.I.M.
Comité de Normalisation des Institutions Musulmans de Madagascar
🎥 Indro atolotra aminareo ny ampahany tamin’izany hafatra izany.
19/06/2026
Tontosa soa aman-tsara ny fotoam-bavaka ho fanamarihana ny faha-66 taona nahazoan’i Madagasikara ny fahaleovantena sy ny niorenan’ny Foloalindahy Malagasy, izay natao tao amin’ny Mosquée d’Antananarivo 67ha androany Zoma 19 Jona 2026.
Fotoana iray nanamafisana ny firaisankina sy ny fitiavan-tanindrazana izany, ka niarahana nivavaka ho an’ny fandriampahalemana, ny fampandrosoana ary ny hoavin’i Madagasikara.
Isaorana manokana ny C.N.I.M. Comité de Normalisation des Institutions Musulmans de Madagascar sy ny CTNO noho ny fikarakarana sy ny fiaraha-miasa nahafahana nanatanteraka am-pilaminana izao hetsika izao.
Ho an’Ilay Mpahary ny dera, ho an’i Madagasikara ny firaisankina sy ny fandriampahalemana.
Présidence de la Refondation de la République de Madagascar - PRRM
Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina
17/06/2026
VAVAKA SY FANGATAHAM-PITAHIANA HO AN’NY TANINDRAZANA
Hiarahana amin’ireo mpitondra fanjakana
📅 Zoma 19 Jona 2026
🕐 Aorian’ny Salat Al-Jumu'ah
📍 Mosquée 67 Ha Palestine
« حُبُّ الْوَطَنِ مِنَ الإِيمَانِ »
"Ny fitiavana ny tanindrazana dia anisan'ny finoana."
Ary ity kosa no andininy ao amin'ny Kor'any :
﴿ يَا أَيُّهَا النَّاسُ إِنَّا خَلَقْنَاكُم مِّن ذَكَرٍ وَأُنثَىٰ وَجَعَلْنَاكُمْ شُعُوبًا وَقَبَائِلَ لِتَعَارَفُوا ۚ إِنَّ أَكْرَمَكُمْ عِندَ اللَّهِ أَتْقَاكُمْ ﴾
"Ry olombelona! Noforoninay avy amin'ny lahy sy ny vavy ianareo, ary nataonay firenena sy foko samihafa mba hifankafantaranareo. Ny mendrika indrindra eo anatrehan'Andriamanitra dia izay matahotra Azy indrindra."
— Coran
« Nataon'ALLAH ho firenena sy foko samihafa isika mba hifankafantatra sy hifampitsinjo. Ny fitiavana ny tanindrazana dia miseho amin'ny firaisankina, ny fandriampahalemana ary ny asa ho fampandrosoana azy. »
FOTOAM-BAVAKA HO
FANAMARIHANA NY FAHA 66 TAONA NAHAZOANA NY FAHALEOVANTENA
SY NIORENAN'NY FOLALINDAHY MALAGASY
17/06/2026
Manohana an’ireo tanora sahy mijoro sy mandray andraikitra !
16/06/2026
وَأَنْكِحُوا الْأَيَامَىٰ مِنْكُمْ وَالصَّالِحِينَ مِنْ عِبَادِكُمْ وَإِمَائِكُمْ ۚ إِنْ يَكُونُوا فُقَرَاءَ يُغْنِهِمُ اللَّهُ مِنْ فَضْلِهِ ۗ وَاللَّهُ وَاسِعٌ عَلِيمٌ
Ampanambadio izay tsy manam-bady aminareo, sy ireo olo-mendrika amin'ireo mpanomponareo, lehilahy sy vehivavy. Raha mahantra izy ireo, dia ALLAH no hampanankarena azy amin'ny Fahasoavany. Fa Malala-tànana, sy Mahalala ny zavatra rehetra ALLAH.
(An Noor 24/32)
09/06/2026
Ny Da'wa dia mety hiseo amin’ny endriny maro !
Manasa anao hanaraka ny fandaharana
07/06/2026
Alerte RN4 🚨🚨
| Monday | 08:30 - 12:00 |
| 14:00 - 17:30 | |
| Tuesday | 08:30 - 12:00 |
| 14:00 - 17:30 | |
| Wednesday | 08:30 - 12:00 |
| 14:00 - 17:30 | |
| Thursday | 08:30 - 12:00 |
| 14:00 - 17:30 |