14/04/2026
RAHA TE HANOHY FIANARANA ANY ITALIE HONO ZAREO A
❤️Hitako Tsara sady tsotra ilay manohy fianarana aty Italie, ry zareo, raha oharina amin'i Allemagne,France, UK, USA ary Canada.
Oniversity ny resaka eto, izany hoe mila manana bac aloha. Dia ireto no tsara ho fantatra ary:
1-Mila mianatra teny Italiana, maka niveau B1, eo amin'ny 4- 6 mois eo hono io dia efa azo satria tsotra ny teny Italiana.
2- Tsy sarotra ny mahazo admission amin'ny oniversity fa tsotra ary ny filiere rehetra azo idirana daholo.
3-Ny garant rehefa manao visa na olona any Mada aza dia efa mety.
4-Ny oniversity tsy andoavam-bola ary ny mpianatra aza rehefa tonga aty dia mangataka vatsim-pianarana amin'ny fanjakana dia saika mahazo daholo. Ary tena vola be ampy iainana tsara, mandritra ny 3 taona. Tsy mila vola avy amin'ny RAD intsony.
5- Ny olana kely fotsiny, dia ny fandehanana any Pretoria (Afrika Atsimo) manao visa, nefa rehefa feno ny dossiers dia mahazo foana hono.
6-Rehefa manao Master dia tsy maintsy amin'ny teny Anglisy. Zavadehibe io rehefa hitady asa avy eo, afaka mandeha amin'ny firenena hafa.
7-Ny fiovana statut ho salarier dia tsotra rehefa mijanona amin'ny fianarana.
8- Ny fahazoana asa kosa anefa avy eo dia aleo tsorina fa sarotsarotra ohatran'ny firenena rehetra ihany satria ny zanany aloha vao ny anao. Fa afaka miova firenena mitady asa na mody any Mada manasoa ny tanindrazana koa e.
9- Italie firenena efa tena mandroso sady mafana, ho an'ireo tsy mahazaka hatsiaka sy tia masoandro ary ranomasina.
10-Raha mahay teny anglisy dia tsy voatery mianatra teny Italiana, fa tonga dia afaka mijery cours amin'ny teny Anglisy avy hatrany.
Isaky ny volana Janoary hatramin'ny Martsa ny fisoratanana anarana amin'ny oniversity. Izao izany dia efa afaka manomboka mianatra teny Italiana raha te hianatra aty amin'ny Septambra 2027.
Mirary soa ireto mpianatra Malagasy amin'ny sary, izay manohy fianarana amin'ny oniversity iray aty Viterbo-Italie. (Efa misy Aumonerie FJKM ihany koa eto Viterbo manohana azy ireo ara-panahy).
SOLI DEO GLORIA
19/03/2026