DREN DIANA

DREN DIANA

Share

NY FIANARANA NO LOVA TSARA INDRINDRA

17/06/2026
Photos from DREN DIANA's post 15/06/2026

✳️Nandefa solontena hanara-maso sy handrindra ny fanadinana CEPE, taona 2026, ao amin'ny DREN Diana, ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena izay nahitana ny ekipan'ny Ivon-toerana nasionaly misahana ny famokarana fitaovana pedagojika sy didaktika (CNAPMAD), sy ny mpanolontsaina teknikan 'ny Minisitry ny fanabeazam_pirenena ary ireo mpiara-miasa aminy, ny alatsinainy 15 jona 2026.

▶️Nisy ny fivoriana fampahafantarana sy fampidirana niarahana tamin'ireo tompon'andraikitra tao an-toerana.

▶️Ny tanjon'izao fidinana ifotony izao dia ny handrindrana sy hiantohana ny fizotry ny fanadinana CEPE mba hizotra amim-pahombiazana sy araka ny tokony ho izy.

DREN DIANA/Jona 2026

Photos from DREN DIANA's post 11/06/2026

🛑 Miatrika ny fanadinana andrana Bakalorea 2026 ao amin’ireo ivon-toeram-panadinana miisa 03 ireo mpianatra kilasy famaranana ao amin'ny CISCO Antsiranana I, nanomboka ny talata 09 jona 2026.

▶️Antontan’isa amin’ny ankapobeny:
✓lisea Zafy Albert :
- Inscrits: 594
- Présents:530
- Absents:64
✓ lisea Annexe :
-Inscrits: 329
- Présents:275
- Absents:54
✓lisea d'enseignement général Ambohimitsinjo:
- Inscrits:212
- Présents:195
- Absents: 17

DREN DIANA/Jona 2026 .

Photos from DREN DIANA's post 10/06/2026

🛑‎Natao ny zoma 05 jona 2026 tato amin'ny Grande salle DREN Diana ny fivorian'ny Tambazotran'ny VFF ato anivon'ny CISCO Antsiranana I izay nampitondraina ny lohahevitra hoe : "Fanatsarana ny fahaizan'ny mpianatra ny taranja vakiteny sy ny taranja kajy amin'ny alalan'ny fampandraisana anjara ny vondron'olona ifotony".

▶️‎Ity fihaonana ity dia nahatongavan'ireo olona izay tonga nasaina isan-tsokainy.

▶️‎ Ireo mpanolontsaina ara-pedagojia, ireo lehiben'ny ZAP, ireo Talen-tsekoly ary ireo mpampianatra avy amin'ny ambaratonga fototra no mandray anjara amin'izany.

DREN DIANA/Jona 2026

Photos from DREN DIANA's post 08/06/2026

🛑Nankalazaina ny faha 50 taona niorenan'ny CEG PK3 eo anivon'ny CISCO Antsiranana I ny sabotsy 30 may 2026.

▶️Diabe namakivaky ny tampon-tanànan'ny Antsiranana I niainga avy eo amin'ny kianja monisipaly ary nifarana tao amin'ny CEG PK3 no nentina nanamarihana ny fankalazana ankoatra an’ireo hetsika samihafa.

▶️Niatrika izany ny Talem-paritry ny fanabeazam-pirenena Diana no sady nanokatra ny lanonana tamin'ny fomba ofisialy ary koa nanapaka ny “ruban” teo amin'ny tsangam-baton'ny faha 50 taona niorenan'ity sekoly ity.

▶️Niatrika ny lanonana ihany koa ny lehiben'ny CISCO ary nandray anjara fitenenana nandritra ny kabary izay nifandimbiasana.

DREN DIANA/ May 2026

Photos from DREN DIANA's post 05/06/2026

🛑Nanomboka ny alatsinainy 01 jona 2026 ny fanatanjahantena an-tsekoly ho an'ny CISCO Ambanja, taorian’ny fifaninanana natao teo anivon’ny ZAP miisa 25 ao amin’ny CISCO.

▶️Haharitra 04 andro io fifaninanana io ka hifarana ny alakamisy 04 jona 2026.

▶️Nosokafan’ny Lehiben’ny Distrikan'Ambanja tamin'ny fomba ofisialy ny lanonana , niaraka tamin’ny solontenan’ny Kaominina, Parlemantara, ary ireo lehibeny sampan-draharaha sivily sy miaramila.

▶️Nanotrona izany ny Lehiben’ny CISCO Ambanja sy ireo mpiara-miasa aminy.

DREN DIANA/Jona 2026

Photos from DREN DIANA's post 05/06/2026

✳️Nisitraka kodiaran-droa (moto) avy amin'ny Fitondram-panjakana ny eo anivon'ny DREN Diana, ny alarobia 03 jona 2026.

DREN DIANA/Jona 2026

Photos from DREN DIANA's post 01/06/2026

✳️Tonga manatanteraka iraka aty amin'ny DREN Diana ny Talen'ny Kabinetran'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena sy ny delegasiona izay tarihany ny alatsinainy 01 jona 2026 ary nisy ny tafatafa fohifohy tamin'ny mpiara-miasa.

▶️Handamina ny toe-draharaha misy aty amin'ny faritra vokatry ny fitakian'ireo mpianatra avy amin'ny ENSET no anton-dian'izy ireo aty an-toerana.

DREN DIANA/ Jona 2026

Want your school to be the top-listed School/college in Diego?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Telephone

Website

Address


Antsiranana
Diego
201